Fampianarana

Fanadinana CEPE Tsara ny vokatra ho an’ny ZAP Ambavahaditokana


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Namoaka ny valim-panadinana CEPE ny ZAP enyAmbavahaditokana Itaosy Atsimondrano ny sabotsy maraina teo teto amin’ny Faritra Analamanga.

 

  

Tamin’ny 07 ora maraina no nivoaka tao amin’ny CEG Amboatavo ka mpianatra 124 tamin’ireo 619 nanatrika izany no nanao ny tsy ambinina. 500 latsaka kosa no afaka soa aman-tsara saingy olana indray ny toerana hametrahana azy ireo. Raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly ao amin’ny CEG Amboatavo dia 120 amin’izy ireo ihany no azo raisina hianatra ao amin’ity sekoly ambaratonga faharoa ity amin’ity taona 2019 ity nefa marobe ireo afaka. Efa nisy ihany, hoy izy ny ezaka nataon’ny ray aman-dreny tamin’ny fananganana efitrano fianarana iray fahafito vaovao fa tsy mbola nisy mihitsy ny tolo-tanana avy amin’ny fitondram-panjakana. Hankalaza ny faha-15 taona niorenany amin’ity taona ity ny CEG Amboatavo ka amin’io fotoana io no hanokanana ilay efitrano fahafito vaovao.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT