Fampianarana

Fanadinana CEPE SY BEPC Mitohy ny fanomanana


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Mitohy ny asa fanomanana ny fanadinam- panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC amin’izao fotoana izao na dia mbola tsy voafaritra mazava aza ny daty hanatanteraka izany.

 

 

 

 

 Olona maro no mifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany, efa herinandro maromaro izao. Ho fanampiana ireo olona misehatra ao anatin’izany dia nanolotra aron-tava miisa 600 sy « Gel hydroalcoolique » ary savony ho azy ireo ny foibem-pibaikoana miady amin’ny valan’aretina COVID 19 na ny CCO ny faran’ny herinandro teo. Omaly maraina kosa dia nanome « thermoflash » miisa 6 ny UNICEF hahafahana mitsapa ny hafanan’ireo mpisehatra tsirairay avy. Nandritra ny fanolorana izany dia namerina nampahatsiahy ireo toromarika rehetra tokony harahina mandritra ny fiatrehana izao valan’aretina COVID-19 izao ny talen’ny (DEF), Atoa Fanabeazana Fototra Andriamiakatsilavo Raoniherijaona sy ny solontenan’ny Minisitera miasa eny anivon’ny CCO.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT