Fampianarana

Fanadinana CEPE sy BEPC Efa milamina ny laza adina amin’ny ankapobeny


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Efa milamina tanteraka ny laza adina ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy raha araka ny fanazavan-dRtoa ministra mpisolo toerana ny profesora Assoumacou.

 

 

 

 

Efa nanomboka tamin’ny Alatsinainy lasa teo kosa izany hoe : efa herinandro anio ny fanomanana ny laza adina BEPC raha eo am-pijerena ireo mpampianatra hanao ny fitokana-monina amin’ny fandrafetana ny laza adina Bakalorea kosa ny Ministera tompon’andraikitra ankehitriny. Ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena sisa no mbola vato misakana araka izany. Nambaran’ny profesora Assoumacou fa miankina betsaka amin’ny fihibohana ny an’ireo mpianatra any amin’ireo faritra ahitana ny tsimok’aretina COVID 19 toy ny eto amin’ny Faritra Analamanga, ny any amin’ny faritra Atsinanana….Ho an’ireo tsy nahitana ity tsomik’aretina ity kosa dia nisy ireo efa nahavita izany. Hisy indray araka izany ny atrikasa hiarahan’ity ministra ity miaraka amin’ireo mpampianatra adina ara-panatanjahantena eto amintsika hahafahana mandray fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany. Raha tsiahivina moa dia efa nisy ny fakan-kevitra natao tamin’ireto mpampianatra EPS ireto tamin’ny volana May lasa teo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT