Fampianarana

Fanadinana CEPE Niharatsy ny vokatra


  • Talata 27 Jona 2017

Nivoaka ny alahady maraina teo ny voka-panadinana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Mpiadina 17.201 tamin’ireo 30.930 niatrika izany no afaka.

 Nihena 2 % mahery ny salam-pahafahana raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 58 % tamin’ny taom-pianarana 2015-2016 ary nihena ho 56,26 % tamin’ity taom-pianarana 2016-2017 ity. Raha araka ny fanazavan-dRakotozafy Ramasy Harisoa, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra dia ny lazaolana na (problème) no tena mafy tamin’ireo mpiadina ka anisan’ny lalana iray nampitotongana ny voka-panadinana. Nivoaka tamin’ny sabotsy io ihany koa ny voka-panadinana hidirana ao amin’ny taona fahenina izay karazana fifaninanana ihany ho an’ireo mpianatra nahazo ny naoty 10 amin’ny 20 no mihoatra. Efa saika nivoaka tamin’ny   sabotsy koa ny voka-panadinana nanerana ny distrika maro manodidina ny renivohitra toa an’Atsimondrano, Arivonimamo, Faratsiho izay saika nahitana fihenana avokoa. Rehefa nangonina ny vaovao tany amina faritra hafa dia mbola nahitana taratra fa nihena ny ankizy afa-panadinana. Tranga izay mampanahy ary mila fanaraha-maso hentitra satria mbola mety hikorontana rehefa irosoana ilay fanitsiana ny drafi-pampianarana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT