Fampianarana

Fanadinana CEPE Mahatratra 525.111 ireo mpiadina manerana ny Nosy


  • Talata 21 Jona 2022

Hotontosaina anio talata 21 jona manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana CEPE. Mahatratra 525.111 ny isan’ireo hiatrika izany manerana ny Nosy ka 6 taona no kely indrindra. Miisa 20.869 amin’ireo kosa

ireo hiatrika izany ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra izay marihina fa nihena raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 30.325 mantsy izany tamin’ny taon-dasa. Niparitaka amina foibem-panadinana miisa 1997 izy ireo ahitana efitran-tsekoly miisa 15 944. Nilamina tamin’ny ankapobeny omaly ny efitranom-panadinana handraisana azy ireo. Anisan’isany ny etsy amin’ny EPP sy CEG Anosibe izay tena maro mpiadina tokoa. Mikasika ireo mpiadina manana olana ara-pahitana sy ara-batana kosa dia fantatra fa mitontaly 107 izy ireo. Ny 16 amin’ireo no tsy mahita, 57 tsy mahay miteny no sady tsy mandre raha miisa 15 kosa ireo manana olana ara-batana. Hentitra dia hentitra moa ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ity tontolo andron’ny Talata ity mikasika izay fanadinana CEPE izay. Voaresaka ny fanaraha-maso ireo zava-mahadomelina izay mety haparitaky ny sasany eny amin’ny faritry ny sekoly, ny fanaraha-maso ireo zaza mba ho ny Ray aman-dReniny irery ihany no afaka mifandray aminy toy ny fakana sy ny fanaterana. Olana goavana mety hatrehin’ireo Ray aman-dReny kosa ny fitohanana eto an-drenivohitra nanomboka omaly, antony mahatonga ny sasany hiala ao an-tokantrano anio maraina manomboka amin’ny 05 ora.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT