Fampianarana

Fanadinana CEPE Hivoaka mialohan’ny fetim-pirenena ny vokatra


  • Zoma 23 Jona 2023

Hivoaka mialohan’ny fetim-pirenena 26 jona izay homarihina amin’ny alahady sy alatsinainy ho avy izao ny voka-panadinana CEPE,

raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa nanomboka nampiditra ny naotin’ireo mpiadina ao anaty solosaina ireo mpampianatra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny omaly alakamisy na ny transcription ka tamin’ny ankapobeny raha araka ny loharanom-baovao azo dia ny taranja kajy no nahavoa ireo ankizy mpiadina. Nahay sy nahavoa kosa anefa ny ankamaroan’ny mpiadina tany amin’ny taranja Malagasy, Frantsay…Raha ny vinavinan’ireo mpitsara moa dia mety hiakatra ny taham-pahafahan’ny mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity. Tsiahivina moa fa nahatratra 580.000 ireo mpiadina niatrika izany fanadinana izany ho antsika teto Antananarivo renivohitra.
Pati
Legende : Hivoaka tsy ho ela ny voka-panadinana CEPE
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT