Fampianarana

Fanadinana CEPE hatao rahampitso Misy laza adina efa niparitaka ?


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Mifamahofaho tanteraka ny resaka laza adina momba ny fanadinana CEPE tanterahina rahampitso 14 aogositra 2018. Nanaitra ny zava-nisy tany Sambava, noho ny ambara fa fipariahan’ny laza adina “Opération” na Asa marika izay voalaza fa niparitaka nanomboka ny sabotsy tolakandro.

 

 Voalaza hatrany fa nandritra ny “CEPE Blanc” natao tamin’ny sekoly iray tany Vohémar no nahitana azy ity voalohany, izay tsikaritry ny mpampianatra iray ka taitra noho ny fahitana soratra hoe : “Examen CEPE et concours d’entrée en 6ème, session du 14 août 2018” izy. Tsy fantatra maza na tena io tokoa no laza adina na toe-javatra hiniana hampisavoritahana ny sain’ny mpanala fanadinana ity toe-javatra ity. Iaraha-mahalala rahateo ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpampianatra sy minisitera amin’izao fotoana izao satria ny andaniny, dia nanamafy ny tokony hanemorana ny datim-panadinana raha to aka niziriziry tamin’ny heviny kosa ny fanjakana. Efa nolazaina mialoha moa fa ambenana mpitandro filaminana  ny laza adina, saingy tsy hay hoe avy aiza ary inona izay ny ilay niparitaka? Nampahafantatra anefa ny Minisitera fa tsaho ny vaovao miely milaza ny fisian'ny fivoahan'ny laza adina mialoha (fuite de sujet) tany Vohémar (SAVA). Ny laza adina nasehon'ny Filohan'ny Sempana Nosy Sambava ka nentiny nilazana fa misy "fuite de sujet" dia misy entête "Direction Régionale de l’Education Nationale SAVA", kanefa tsy io ny entete any amin'ireo laza adina ofisialy, raha ny voalaza. Hafahafa izao toe zava-miseho izao!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT