Fampianarana

Fanadinana CEPE andrana Hozaraina amin’ny herinandro ny laza adina


  • Talata 09 Jolay 2019

Efa miomana tanteraka amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE andrana andiany faharoa ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-drenivohitra ankehitriny.

 

 

 

 Raha tsy misy mantsy ny sampona dia amin’io herinandro io avokoa no hanatanteraka izany izy ireo, izay miankina amin’ny fandaminan’ny tsirairay avy, indrindra fa ireo sekoly tsy miankina raha amin’ny alatsinainy 15 jolay ho avy izao kosa no hozaraina ny laza adina.  In-droa na in-telo eo ho eo no hanatanterahan’ireo ankizy ao amin’ny taona fahafito izany vao hiatrika ny fanadinana CEPE tena izy izy ireo izay hotontosaina ny 27 aogositra ho avy izao. Efa miditra tanteraka ao anatin’ny famerenana, araka izany, ny rehetra  ka ireo taranja hita fa tena manahirana ny ankizy no hilofosana. Ho an’ireo kilasy tsy hiatrika ny fanadinam-panjakana kosa dia fantatra fa amin’ny faran’ny volana aogositra izy ireny no hiditra ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra. Mikasika ny fanadinana BEPC kosa indray dia ny 9 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao izy ireo no hiatrika ny fanadinana tena izy raha tsy mbola voatondro kosa ny fotoana hanaovana ny fanadinana andrana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT