Fampianarana

Fanadinana CAP sy CFA 1.559 ireo mpiadina manerana ny nosy


  • Talata 15 Septambra 2020

Tontosa soamantsara omaly alatsinainy 14 septambra ny andro voalohany hanatanterahana ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana Certificat d’Aptitude Professionnelle (CAP) sy ny Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA)

 

tanterahin’ireo mpiadina miisa 1.559 manerana ny Nosy. Nanokatra ny laza adina tamim-pomba ôfisialy tetsy amin’ny lisea teknika Ampefiloha Atoa Tsikel’Iankina Ernest, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa. Nirary soa sy nitso-drano ireo mpanala fanadinana izy nandritra izany no sady nanafatrafatra ny amin’ny tokony hanajana hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.Marihana fa miisa 1.283 ireo mpiadina miatrika ny CAP ary 276 kosa ny miatrika ny CFA izay nitsinjara tamina ivon-toeram-panadinana miisa 49. Mitovy avokoa ny laza adina manerana ny Nosy ary ireo fandaharam-pianarana vita ihany no hanadinana. Na izany aza hoy ny Ministra dia efa vita hatrany amin’ny 90 % ny fandaharam-pianarana na ho an’ny sekolim-panjakana izany na ho an’ny tsy miankina. Haharitra efatra andro ny fanadinana CAP raha telo andro kosa ny CFA.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT