Fampianarana

Fanadinana BEPC Ny taranja kajy no tena manahirana ireo mpiadina


  • Talata 22 Septambra 2020

Mpiadina miisa 25 omaly tapak’andro maraina no tsy tonga namonjy ny fanadinam-panjakana BEPC ho an’ny foibem-panadinana CEG Antanimbarinandriana.

 Miisa 1.013 kosa ireo mpiadina voasoratra anarana ka ho an’ireo izay tsy tonga omaly maraina dia efa 0 ny naotiny ho an’ny taranja Malagasy raha araka ny fanazavan-dRavolamanana Lanto Herisoa, lehiben’ny foibem-panadinana na dia mbola afaka manohy ihany aza izy ireny. Nilamina ny fizotry ny fanadinana tamin’ny ankapobeny. Tonga ara-potoana ny laza adina raha araka ny fanazavana azo. Tsy nisy nanadino ny taratasy fiantsoana ihany koa ny mpiadina rehetra raha tsy nisy ihany koa ny narary. Nozaraina arotava avokoa ny mpiadina teo am-pidirana ho fiarovana amin’ny valan’aretina Covid 19 ankoatra ny fanosorana ny gel désinfectant. 12 taona no kely indrindra tamin’ireo mpiadina raha 21 taona no lehibe indrindra. Azo lazaina ho tsy nanana olana ny mpiadina tamin’ny ankapobeny ho an’ny taranja Malagasy omaly maraina, ankoatra ny famoronan-dahatsoratra izay maro no tsy nahavita hatramin’ny farany satria tapitra ny fe-potoana nomena . Mbola mijanona ho sarootra ho an’ny ankamaroan’ny mpiadina kosa ny  taranja kajy na Mathématique , araka ny fanazavan’i Aina anisan’ireo mpiadina na dia efa maro aza ny famerenana vitany nandritra ny fihibohana. Ny ankoatra izay hoy izy tsy misy atahorana. Resaka valin-tanana moa no niompanan’ny laza adina Malagasy omaly maraina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT