Fampianarana

Fanadinana BEPC Misy miezaka manakorontana ?


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Manomboka amin’ny fomba ofisialy anio alatsinainy 04 jolay 2022 ny fanadinam-panjakana BEPC (Brevet d’Etude du Premier Cycle) eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Miisa 315514 ny mpiadina manerana ny Nosy, miparitaka amin'ny foibem-panadinana miisa 1072 ahitana efitra 9833. Ny 32 amin’ny mpiadina no manana fahasembanana, ary miisa 6 kosa ireo teratany vahiny. Miisa 26 307 ny mpiadina voasoratra anarana izay miparitaka amin'ny foibem-panadinana miisa 35 ho an’ny eto Antananarivo manokana. Nahitaha fihenana io isa raha oharina ny tamin'ny taona 2021. Miisa 26 985 ny isan'ny mpiadina tamin'ny taon-dasa. 24 ora mialohan’ny fiatrehan’ny mpiadina ity fanadinam-panjakana ity, betsaka ny zavatra mampiahiahy mikasika ny mety ho fipariahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ny hafatra samihafa mivarotra ankolaka laza adina na “sujet” lazainy fa laza “Sujet BEPC 2022” miaraka amin’ny fanintsiana na “corrigé”. Isan’ny nalaza teny Antananarivo Avaradrano, ohatra, ny fisian’ny ankizy nifandrombaka nanao dika mitovy izany, raha ny resaka niely. Tsy afaka hanamarina na handiso izany isika, fa ny fanadihadiana sy ny fandraisana andraikitra haingan’ny manampahefana ny manamarina na mandiso izany. Ny soratra eo amin’ireo laza adina lazaina fa ho an’ny BEPC manomboka anio io kosa aloha dia misy tokoa ny soratra fa 2022 tokoa izany, tahaka ny taranja Malagasy. Fanakorontanana saim-bahoaka sy sain’ny mpiadina ve sa tena nisy laza adina niparitaka nialohan’ny fotoana tokoa? Avy aiza ny tsirambina raha tena izany tokoa? Inona no andraikitra sy fepetra raisin’ny fanjakana? Tsara ny manamarika fa mihiboka 30 andro ireo mpanomana ny laza adina BEPC mba hisorohana amin’ny tahaka izao. Mila fanadihadiana!

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT