Fampianarana

Fanadinana BEPC Histo-Geo, Matematika, Fizika no tena atahoran’ny mpiadina


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Nihena 1,74 % ny tahan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka anio ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra.

 

 

 Lasa 27.521 isa mantsy izany raha nahatratra 28.013 tamin’ny taon-dasa. Noho ny havitsian’ireo mpiadina tao amin’ny taona fahavalo niakatra tao amin’ny taona fahasivy no nambaran-dRamananantony Lalaina, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo fa antony. Hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 32 izy ireo manomboka anio raha miisa fito kosa ny ivontoerana hanaovana ny fitsarana. 10 taona no zandriny indrindra raha 67 taona no zokiny. Ny taranja Malagasy no hisantaran’ireo mpiadina izany anio alatsinainy maraina raha ny taranja siansa sy ny maha olona kosa rahariva. Ny taranja kajy sy ny frantsay indray rahampitso, arahin’ny tantara sy jeografia sy ny fizika ary hofaranana amin’ny taranja anglisy amin’ny alakamisy ho avy izao. Marihina moa fa noho ny fandalovan’i Papa Fransoa eto amintsika nanomboka ny zoma lasa teo ka nanapaka lalana maro dia efa saika nandray fepetra mifandraika amin’izay avokoa ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika ity fanadinam-panjakana iray ity.

Ireo taranja atahoran’ny mpiadina

Tamin’ny sabotsy teo dia efa afaka nijery ny efitrano hiatrehany ny fanadinana BEPC ireo mpiadina tamin’ny faritra maro teto amintsika. Ny mba nahafahan’izy ireo naka aina tanteraka omaly alahady ary hananany filaminana mialoha ny fanadinana anio maraina no tanjon’ireo tompon’andraikitra. Maromaro ihany ireo taranja mbola atahoran’ny mpiadina, eny fa na dia efa nianatra sy nilofo aza izy ireo. Anisan’ireny ny histo-géo izay nambaran’ireo mpiadina fa mampanahy hatrany ny fipetraky ny laza adina noho ny halavan’ny lesona. Eo ihany koa ny matematika sy ny fizika, indrindra fa eo amin’ireo sokajy manahirana ka rehefa diso ny voalohany dia diso hatrany amin’ny farany ny devoara…. Anisan’ny efa nisokatra tamin’ny sabotsy teo moa ny lisea maoderna Ampefiloha nandray ireo mpiadina nijery ny efitranom-panadinana. Miisa 44.50 ireo mpiadina voasoratra anarana hiatrika izany ao an-toerana ka 11 taona no zandriny indrindra raha 23 taona no zokiny indrindra. Mizara amina efitranom-panadinana miisa 95 izy ireo ka ny 62 no ao amin’ny LMA raha any amin’ny LTC kosa ny 32 isa ambiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT