Fampianarana

Fanadinana bakalorea Hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 21 septambra


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Misy toy ny isan-taona ihany ary hifanaraka amin’ny datim-panadinana BEPC ny fotoana hanatanterahana ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy amin’ity taom-pianarana 2017-2018 ity,

 raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika ny dokotera Razafimahatratra Dieu Donné, omaly. Ny 17 ka hatramin’ny 21 septambra ho avy izao no hanatanterahana ny fanadinana Bakalôrea ankapobeny raha hifanaraka amin’izany ny fihodinana voalohany ho an’ireo mpiadina  hiatrika ny fanadinana Bakalôrea teknika. Ny 24 ka hatramin’ny 27 septambra kosa ny fihodinana faharoa ho an’ny Baka teknika ihany, tetiandro  samy navoaka tamim-pomba ofisialy omaly avokoa. Ny 29 janoary ho avy izao kosa  ka hatramin’ny 27 aprily isaky ny ofisin’ny bakalorea  isam-paritra ny fisoratana anarana. Mba hisorohana ny olana  mety hitranga anefa dia  tsy ekena ny fahatarana. 15.000 Ar  kosa no saram-pisoratana anarana ho an’ny kandida atolotry ny sekoly ary 50.000 Ar  ho an’ny kandida misora-tena. Tafakatra 100.000 Ar kosa izany  ho an’ny kandida teratany vahiny izay manovo fahalalana eto Madagasikara. Nanamafy moa ity tale jeneralin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony ity fa hitohy ny ezaka fanatsarana ny laza adina entina hanatsarana ny voka-panadinana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT