Fampianarana

Fanadinana bakalorea Hivaly amin’ny 19 oktobra ho avy izao


  • Talata 08 Oktobra 2019

Hivoaka ny sabotsy 19 oktobra ho avy izao ny valin’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny izay notanterahina nanomboka ny 30 septambra lasa teo.

Ny antony dia noho ny fisian’ny fihodinana faharoa. Nampitomboina ny isan’ireo mpandraharaha sy mpitsara ny fanadinana, hoy ny fanazavan-dRtoa Blanche Nirina Richard, minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika nandritra ny fitsidihana nataony tetsy amin’ireo foibem-panadinana LMA sy LTC Ampefiloha nanatanterahana ny fanadinana Bakalôrea teknika sokajy faharoa izay nanomboka omaly. Mamdritra ny efatra andro ny fitsarana ary miditra amin’ny 7ora maraina hatramin’ny 5ora hariva. Efa eo am-pamolavolana ny laza adina Bakalôrea 2 eme session ihany koa ireo tompon’andraikitra amin’izao raha ny fanazavany hatrany. Hanomboka ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao  kosa ny fanadinana,  entina hanampiana ireo sanatria hanao ny tsy ambinina. Ho hentitra ny fanaraha-maso hataon’ity minisitera ity. Tsara ny mampahatsiahy fa andro vitsy monja no hanaovan’ny mpianatra tsy afaka bakaôrea fialantsasatra amin’ity taona 2019 ity. Ny  28 oktobra  ho avy izao mantsy no hanomboka  ny fidirana ofisialy ho an'ny sekolim-panjakana araka ny navoakan'ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika. Ny 23 hatramin'ny 26 oktobra kosa anefa ny fihodinana faharoa ho an’ireo mpiadina tsy afa-panadinana Bakalôrea, izany hoe tsy  mivaly akory ity fanadinana farany  ity dia hanomboka indray ny taom-pianarana  vaovao  manaraka.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT