FANADINANA ANDRANA CEPE

Ny 24 May ho avy izao ny andiany voalohany


  • Talata 23 Aprily 2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

ho an’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana manana mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ny volana Jona ho avy io. Efa ao anatin’ny famerenana tanteraka ireo sekoly isan-tsokajiny amin’izao raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray. Ny datin’ny 24 May ho avy izao mantsy no hotanterahina ny fanadinana CEPE andrana andiany voalohany raha amin’ny fiandohan’ny volana Jona ny andrana andiany faharoa mialohan’ny hiatrehana ny fanadinana tena izy. Ireo mpampianatra ihany no namorona ny laza adina raha araka ny fantatra ary natao an-kitsapaka izany. Efa vita avokoa ireo laza adina ireo ankehitriny izay mitohy firafitra amin’ny laza adina CEPE mihitsy. Ny talen-tsekoly no niandraikitra ny fandefasana ny lisitr’ireo mpianany eny anivon’ny ZAP ka ireto farany no manome ny laza adina amin’ny fotoana tokony hanaovana ny fanadinana. Mbola ny talen-tsekoly ihany koa no manatitra ny vokatra eny amin’ny ZAP aorian’izany.
Pati
Legende : Kely sisa dia hiatrika ny fanadinana CEPE tena izy ireto kilonga madinika ireto !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT