Fampianarana

Fanadinam-panjakana Sao dia mba ho kitoatoa indray ?


  • Talata 18 Aogositra 2020

Terena fotsiny ny mpampianatra, hoy ry zareo sendikan’ny mpampianatra omaly, raha nahita ireny tany Toamasina ireny ianareo. Ataovy ny fanatanjahantena dia apetrao ny arotava.

 

 

 

Manatanteraka ny mpampianatra. Mety tsy sitrapony fa tery vay manta. Miala tanteraka amin’izay mety ho vokatry ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana amin’ity taona ity ny Sempama, hoy hatrany izy ireo. Sosokevitray ny fanaovana fialan-tsasatra tsy misy fetra aloha, hoy izy ireo, dia avy eo mifampidinika satria raha izao 5 volana tsy nianarana izao na tsy kilasim-panadinana aza dia fara-faharatsiny mila 2 volana ny mpampianatra sy mpianatra hanomanana ny fiverenana indray. Tsy ny fanadinana sy diplaoma no enjehina ka aza atao sorona ny menaky ny aina. Misy ny atao hoe olona tompon’andraikitry ny tsenambarom-panjakana na  PRMP ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Io PRMP io anefa voatana am-ponja vonjimaika annkehitriny, tsy mbola voatendry ny solony ka iza izany no hiandraikitra ny famoaham-bola hividianana ireo kojakoja amin’ny fikarakarana fanadinana.

Taratasy fiantsoana, laza adina ?

Ny fanadinana CEPE dia voatondro ho tanterahana ny 01 septambra 2020 izao , izany hoe afaka roa herinandro.Tsy handrenesam-peo firy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, izay tsy mbola manana minisitra raikitra moa fa ny minisitry fampianarana ambaratonga ambony no mpisolo toerana.Tsy andrenesam-peo koa anefa ity farany.Tsy misy ny toromarika , na ny tsara ho fantatra.Tsy mbola re siosion-dresaka hoe ho avy ny taratasy fiantsoana ny mpiadina na hoe rahoviana no alaina any am-pianarana.Manjavozavo ny momba ireo laza adina. Tokony hisy koa ilay fihibohana 40 andro eny amina toerana tsy azo fantarina hanomanana ny laza adin’ireo mpianatra kanefa mbola tsy misy io hatramin’izao, hoy hatrany ireto mpampianatra ireto.  Sa ve efa vita tany ho any ny laza adina ? Rehefa tsirihana ny pejy facebookn'ireto ministera roa misahana ny fampianarana ireto dia tsy ahitana taratra ny fiomanana hiatrika ny fanadinana CEPE izany fa zavatra hafa mihitsy no hita ao.Ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina no mba hany mampahafantatra sy mampatsiahy ny fisian'ireo fandaharana manokana ho an'ny mpanala fanadinana ao amin'ny TVM. Mipetraka ny fanontaniana, raha ho atao ny fanadinana, inona no antoka maha resy lahatra fa tsy ho latsa-danja amin’ireo diplaoma tany aloha rehetra ny amin’ity ary tsy ho kitoatoa ny fikarakarana sy fanomanana? Efa nisy teto mantsy tamin’ny herintaona ny bakalorea nisy “2ème session” tampoka izany .Ho atao sa tsy ho atao izy ity ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT