Fampianarana

Fanadinam-panjakana Misy mbola tsy milamina…


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Tsy nahafa-po anay ny vahaolana natolotry ny fanjakana mikasika amin'ny fitakiana izay nataonay efa telo volana mahery, hoy ny fanambaran’ny mpampianatra omaly 3 aogositra.

Hitanay fa tsy sahaza amin'ny farim-pahalalana hoentina miatrika fanadinana ny fahalalana azon'ireo ankizy amin'ny sekolim-panjakana noho ny fahatapahan'ny fianarana nandritra ny telo volana. Hitanay fa atao amboletra ny fanaovana ny fanadinam-panjakana ary notsinotsiniavina ny fangatahan'ny ireo mpianatra amin'ny sekolim-panjakana maniry ny hanemorana ny datim-panadinana mba hialana amin'ny elanelana eo amin'ireo mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina sy ny sekolim-panjakana. Noho izany dia ambaranay ary fa mbola mitohy ny tolona ary tsy handray anjara amin'ireo fanadinam-panjakana izay niniana natao amboletra izahay mpanabe, hoy izy ireo. Tomponandraikitra isika Ray aman-dreniny amin'ny fandefasantsika ny zanantsika na hanao na tsy hanao ny fanadinam-panjakana, ary marihanay etoana fa tsy tomponandraikitra amin'ny valim-panadinana izay mety hitranga mialoha sy mandritra ary aorian'ny fanantanterahana ny fanadinam-panjakana izay natao amboletra izahay, hoy izy ireo.  Etsy andaniny, manizingizina ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fitondram-panjakana fa tsy miova ny daty ary ho tanterahana ny fanadinana ary misy ny fepetra ho raisina mba hahatomombana izany. Ny 14 aogositra izao, izany hoe afaka 10 andro no hotanterahana ny fanadinana CEPE; mitoetra ihany ny ahiahy manoloana izao fifanolanana mbola misy izao satria tena mihenjan-droa ny tady ary matoa nisy adina ara-panatanjahantena tsy tanteraka dia matanjaka fa tsy azo hamaivanina ny herin’ireo mpampianatra mitokona.Mbola manalokaloka noho izany ny taona fotsy satria tsy voavaha tanteraka ny olana ary tena mbola baraingo ny hoe hizotra araka ny tokony ho izy avokoa ve ny fanadinana manerana ny Cisco rehetra eto Madagasikara.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT