Fanadinam-panjakana mikorotan-dava

« Tsy hisy bakalorea labozia sy laza adina miparitaka mialoha amin’ity»


  • Talata 16 Jolay 2024

Tsy hiverina intsony amin'ity taona ity ny fanadinana amin'ny jiro labozia mandritra ny fanadinana bakalorea,

raha ny fampanantenan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa tarihin’ny Minisitra mpisolo toerana Fidiniavo Ravokatra omaly, notaterin’ny fampahalalam-baovao. Efa nomena toromarika ny tompon’andraikitra isam-pokontany mba hametrahana jiro mba hanazava ny efitrano fanadinana, raha ny filazan’ity mpikamban’ny governemanta teo aloha ao anatin’ny fampiodinan-draharaha ity. Mikasika ny fiarovana ny fanadinana sy ny laza adina, nambara fa efa misy ny rafitra fiarovana. Nambara fa tsy an'ny minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) irery ihany ny fikarakarana ny fanadinana amin’ity. "Ny governemanta manontolo no miara-miasa mba handamina ny fanadinana bakalorea amin'ity taona ity. Ny prefen'ny distrika sy ny lehiben'ny distrika dia hiara-hiasa amin'ny mpitandro ny filaminana mba hiantohana ny fizotran'ny fanadinana", hoy ny fampanantenana. Araka ny filazan’i Fidiniavo Ravokatra, dia nohatsaraina ny famonosana sy ny fandefasana ny loza adina any amin’ny faritany mba hisorohana ny fivoahany mialohan’ny fotoana. Anisan'ny vaovao amin'ity taona ity koa ny fanamboarana loza adina maro atao fiandry. Manentana ny ray aman-dreny sy ny kandidà ihany koa ny mpikambana ao amin’ny governemanta mba tsy ho roboka sy halaim-panahy amin’ireo olona mamoaka laza adina amin’ny tambazotra sosialy”. “Tsy hivoaka mihitsy ny laza adina alohan’ny fanadinana, matokia sy mianara tsara”, hoy ny Minisitra mpisolo toerana. Tsiahivina moa fa 218 359 ny isan’ny kandidà misoratra anarana hanao ny fanadinana bakalorea manerana an'i Madagasikara. Ho an'ireo hanao ny bakalorea ankapobeny dia hotontosaina ny 22 ka hatramin'ny 26 Jolay ny fanadinana. Ho an'ireo hanao ny bakalorea ara-teknika, ny andiany voalohany dia hatao ny 22 ka hatramin'ny 26 Jolay raha hatao ny 29 Jolay ka hatramin'ny 1 Aogositra kosa ny andiany faharoa. Nilaza fa efa vonona tanteraka amin’ny fikarakarana fifidianana ny Fanjakana. Irariana izany mba hizotra am-pilaminana ny fanadinam-panjakana satria raha ny zavatra nitranga tato anatin’izao Fitondrana Rajoelina izao, dia tsy nitsaha-nitotongana ny fanadinam-panjakana. Hatramin’ny BEPC aza nivoaka nialohan’ny fotoana, ny tambim-pitsarana ny fanadinana olana isan-taona,…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT