Fampianarana

Fanadinam-panjakana Miisa 8.577 ireo mpiadina hiatrika ny BEP


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Hotanterahina manomboka anio alatsinainy 16 septambra manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana “Brevet d’étude Profesionnelle” na ny BEP haharitra telo andro.

 

 

 Mpiadina miisa 8.577  no nisoratra anarana vonona ny hiatrika izany, miparitaka amina foibem-panadinana miisa 72. Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika dia vonona tanteraka ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika. Ny mpitandro ny filaminana koa vonona hanatanteraka ny fiambenana. Tsiahivina moa fa mpianatry ny lisea sy mpianatry ny “Centre de formation professionnel” sasantsasany no afaka miatrika ity fanadinana BEP ity, niatrika fiofanana nandritra ny telo taona raha kely indrindra. Ankoatra ny lalam-piofanana fitantanana izay tena be mpisafidy tokoa dia anisan’ny lalam-piofanana nianaran’izy ireo koa ny rafitra amin’ny hazo, ny fitarihina herinaratra…. Eto amin’ny Faritra Analamanga sy ny amin’ny faritra Atsinanana no be mpiadina indrindra. Mikasika ny fanadinana BEPC manokana moa dia fantatra fa efa nisy tamin’ireo foibem-panadinana sasany no namoaka ny vokatra tamin’ity faran’ny herinandro ity toy ny tany Ikalamavony sy Faratsiho.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT