Fampianarana

Fanadinam-panjakana Hisy vaomiera manokana handinika ny daty


  • Alarobia 13 Mey 2020

Hisy ny "commission spéciale" handinika ny daty mety tokony hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC araka ny fanazavan'ny Ministry ny fanambeazam-pirenena, Rijasoa Andriamanana.

Arakaraka ny fivoaran'ny fihanakin'ny resaka ara-pahasalamana eto amintsika no mety hiovan'ny daty efa voatondro hanaovana ireo fanadinana ireo. Hatreto dia mbola voafaritra ho amin`ny 07 Jolay ny fanadinana CEPE ary ny 20 - 23 Jolay ny BEPC. Ny zoma 15 mey izao kosa no mifarana ny fisoratana anarana. Ho an` ireo ray aman-dreny dia ny ain` ny zanany no laharampahamena azy ireo ka maro no mitaky taona fotsy amin` ity taom-pampianarana ity taorian` ny filazana fa misy ankizy mpianatra miisa 9 manodidina ny 9 hatramin`ny 12 taona voan'ny Covid 19. Etsy ankilany indray dia manahy indray ny lentan` ny dpilaoma ny mpanabe sasany satria hisy ny atao “obligation de résultat zero redoublement”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT