Fampianarana

Fanadinam-Panjakana CEPE Ny kajy no mbola tena olan’ireo mpiadina


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Amin’ny 21 Jona ho avy izao no hotanterahina ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy. Roa volana sisa izany raha andro no isaina, fotoana efa fanaovana famerenana tanteraka ho an’ireo taranja mbola tsy hain’ny mpianatra.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina talen-tsekoly iray dia ny taranja kajy sy ny lazaolana no mbola tena olan’ireo mpianatra hatreto. Mbola tsy hahazoan’ny antsasa-manilan’ny mpiadina moyenne io raha araka ny fanadihadiana natao hatrany ka tsy maintsy hanokanan’ny mpampianatra fotoana manokana mihitsy. Tsy olana intsony kosa ny resaka lesona hoy hatrany ity talen-tsekoly iray ity fa efa diso lanin’ny mpianatra loatra aza. Tsy maintsy handefasana devoara iray isan’andro ho an’ny mpiadina ao amin’ny taona fahadimy araka izany ny taranja kajy sy ny laza olana. Marihina moa fa ankoatra ny taranja kajy dia olana ho an’ireo mpiadina sasany ihany koa ny taranja frantsay indrindra fa ho an’ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana. Ny fetin’ny Pentekosta sisa araka izany no hatrehin’ireo mpianatra amin’ity taom-pianarana 2022 ity dia hiditra avy hatrany ao anatin’ny fanadinana fifindran-kilasy sy ny fanadinam-panjakana CEPE ireo voakasika izay samy mialohan’ny fetim-pirenena 26 Jona avokoa.
Pati
Legende : Olan’ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE rehetra ny taranja kajy !
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT