Fampianarana

Fanadinam-panjakana CEPE Nihena ireo mpiadina hiatrika izany amin’ity taona ity


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Mbola voatazona ny datin’ny 01 septambra fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy amin’ity taona ity.

 

 

 Na izany aza dia nihena ho 521.879 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana raha nahatratra 525.000 tamin’ny taon-dasa. Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana izany ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena na dia mbola ministra mpisolo toerana ihany aza no miahy azy ireo ankehitriny raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny Herimanana Razafimahefa. Laza adina tokana ihany araka izany no hanadinana ny mpianatra manerana ny Nosy. Izay fandaharam-pianarana vita hatramin’ny volana Martsa lasa teo ihany koa no hampidirina anaty laza adina raha efa vita efa roa volana lasa izany ny fifanentanana izany laza adina izany. Dingana manaraka hotanterahin’ny Ministera sisa araka izany ny fanontana ny laza adina. Mbola mihatra avokoa moa raha araka ny fanadihadiana natao hatrany ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana ho an’ny mpiadina toy ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony mialohan’ny hidirana ny foibem-panadinana, mpianatra iray amin’ny dabilio iray ho fanajana ilay elanelana 1 metatra…. Mbola hisy moa ny toro-marika omena ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’ny fijerena ny efitranom-panadinana….mba hialana amin’ny fitangoronana mety hanaparitaka ny valan’aretina Covid 19 hoy hatrany ny fanazavana.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT