FANADINAM-PANJAKANA BEPC

Taranja miisa 3 no mbola tena atahoran’ny mpiadina


  • Zoma 28 Jona 2024

Hotanterahina manomboka amin’ny Alatsinainy 01 Jolay ho avy izao ny fanadinam-panjakana BEPC

manerana ny tanin’ny Repoblika. Mpiadina an’hetsiny no indray hiatrika izany ka 10 taona no zandriny indrindra. Raha araka ny fanadihadiana natao omaly tetsy amin’ny CEG Antanimena dia miisa 250 ireo mpiadina hiatrika izany ao an-toerana avy amin’ny kilasy miisa 5 samihafa. Ny taranja Matematika sy fizika hatreto no mbola tena atahoran’ireo mpiadina izay nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sekoly fa antony mahavitsy ireo misafidy ny sokajy B. Ho azy ireo manokana mantsy dia miisa 4 na 5 isan-kilasy monja izany. Na izany aza mbola ao anatin’ny famerenana tanteraka izy ireo hatramin’ny anio Zoma 28 Jona. Toraka izany koa ny sekoly tsy miankina iray eny Ankadifotsy eny. Ho an’ity farany indray dia ny taranja tantara sy jeografia ary ny fizika sy matematika no tena atahoran’ny mpiadina ihany koa saingy na izany aza hiezaka faramparany izy ireo hanampy ireo mpiadina miisa 50 ao aminy.
Pati
Sary fanehoana : Mbola betsaka amin’ireo mpiadina no matahotra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT