FANADINAM-PANJAKANA BAKALOREA

Efa misokatra ny fisoratana anarana


  • Zoma 16 Febroary 2024

Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea

taom-pianarana 2023-2024 raha araka ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika. Nanomboka ny Talata 13 Febroary lasa teo izany ho an’ireo vonona hiatrika ny fanadinana izay efa hita taratra eny anivon’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana sahady. Hifarana ny Zoma 16 Aprily kosa izany, antony hikarakaran’ny tanora mpianatra ny antontan-taratasy rehetra ilaina dieny izao mba tsy ho tara fotoana. Rah any tombatombana moa dia mety hihena ny salan’isan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’ity taona 2024 ity. Noho ny fihenan’ireo mpianatra miditra an-tsekoly vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny no antony mahatonga izany. Ho tanterahina ny 22 hatramin'ny 26 Jolay 2024 ho avy izao moa ny fanadinam-panjakana bakalorea ankapobeny sy teknika andiany voalohany raha ny 29 hatramin'ny 01 Aogositra 2024 kosa ny andiany faharoa. Pati
Legende : Mihena ireo mpianatra miditra an-tsekoly vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT