Fampianarana

Fanadinam-panjakana 226.000 ireo mpiadina hisantatra ny CEPE


  • Talata 01 Septambra 2020

Hanomboka anio ny andiany voalohany amin’ny fanadinana CEPE, araka ny tetiandro nofaritan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena na mbola mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara aza ny hamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus aza.

 

 

 Faritra miisa enina ao anatin’ny Faritany Antananarivo sy Antsiranana no hisantatra izany dia Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra DIANA ary SAVA. Mpiadina maherin’ny 226.000 no hiatrika fanadinana anio, ka ny 172.000 mahery ato amin’ny Faritany Antananarivo ary ny 54.000 mahery ao anatin’ny Faritany Antsiranana. Nirary soa sy fahombiazana ho an’ny ankizy rehetra hiatrika ny fanadinana ampitoniana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Fanadinana voalohany amin’ny fiainana, ary fianarana efa natao tany am-pianarana ihany no hanadinana ho izy, niantso ny ankizy ho tony. Nisaotra sy mankahery ny mpisehatra rehetra amin’ny fanatanterahana izao fanadinana izao ihany koa ity farany.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT