Fampianarana

Fanadinam-panjakana 2018 Nahemotra avokoa


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Hahemotra roa herinandro taorian’ny daty efa notondroin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena avokoa ny fanadinam-panjakana eo ambany fiadidian’izy ireo amin’ity taona 2018 ity.

 Taorian’ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly tsy miankina no nandraisany fanapahan-kevitra, hoy i Todisoa Andriamampandry, tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly. Antony roa no nandraisan’izy ireo ny fanapahan-kevitra dia noho ny aretina pesta nandalo teto amintsika sy ny fandalovan’ny rivodoza AVA ka tsy nahafahan’ireo mpianatra miisa 49.000 nanohy ny fianarany. Ny tanjona dia ny hahafahana mampitovy ny fari-pahaizan’ny mpianatra rehetra mialoha ny hiatrehan’izy ireo ny fanadinam-panjakana. Ho an’ny fanadinana CEPE, ohatra, dia nahemotra ny 11 aogositra ho avy izao raha tokony hotanterahina ny 31 jolay. Ho an’ny fanadinana BEPC kosa dia ny 3 ka hatramin’ny 6 septambra  no hanatanterahana azy. Ny 23 sy ny 24 oktobra kosa ny CAEP  arahin’ny fanadinana CAP/ EP ny 20 sy ny 21 novambra ho avy izao. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana no hanohy ny fianarany tsy mijanona mandritra ny roa herinandro entin’izy ireo hamenoana ny banga. Mikasika ny  saram-pianarana volana aogositra moa dia nanambara ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina fa hojerena izay marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta. Fantatra fa tsy hisy fiovana kosa ny datin’ny  vakansy lehibe izay hanomboka ny 4 Aogositra ho avy izao…

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT