FANABEZANA AO ALASORA

Hifanohana ny EPP ao Ambodivondava sy ny EPP ao Grande Motte


  • Talata 26 Desambra 2023

Tsy manao ambanin-javatra ny sehatry ny fanabeazana ao amin’ny faritra misy

azy ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy. Taorian’ny diany tany ivelany herinandro maromaro lasa izay dia fantatra fa hisy ny fampirahavaviana ny sekoly ambaratonga fototra ao Ambodivondava sy ny EPP ao Grande Motte atsy La Frantsa. Ny mba hahafahana mamatsy sakafo isan’andro tsy tapaka ho an’ireo mpianatra manodidina ny 1.000 isa latsaka ao amin’ity EPP iray ao Alasora ity no tanjona. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia anisan’ny antony iray mampitsoaka an-daharana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ny tsy fahampian-tsakafo. Iaraha-mahalala rahateo ny fahasahiranana iainan’ny Malagasy ankehitriny izay saika mihinana ambany foitra isan’andro ny ankamaroany. Ny hariva tokana ihany mantsy no mba afaka mihinana ara-dalana ny isan-tokantrano fa ny ankoatra izay dia miaina amin’ny lasopy sy kompoze kely na kibo rivotra ka anisan’ireny ireo ankizy mpianatra. Efa eo am-pikarakarana ny taratasy mifandraika amin’izany moa ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy amin’izao fotoana koa inoana fa hanomboka tsy ho ela izany fiaraha-miasa izany.
Pati
Legende : Manga ny fiaraha-miasan’ireo tompon’andraikitra roa tonta !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT