Fampianarana

Fanabeazana Zatovo 1 amin’ny 3 no tsy mandia varavaran-tsekoly


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Tsy mandia varavaran-tsekoly ny 1 amin’ny 3 amin’ireo zatovo eo anelanelan’ny 11 hatramin’ny 14 taona eto amintsika.

 Ny fialana an-daharana an-tsekoly anefa dia  manosika ny ankizy hiasa aloha loatra. Vokatr’izay dia efa niasa avokoa ny ankizy 1 amin’ny 2 amin’ireo eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 17 taona. Nivoitra io tao anatin’ilay fanadihadiana atao hoe : MICS, na « Dinidinika momba ny fiainan-tokantrano », izay nivoaka tamin’ny fiandohan’ity volana jolay ity ireo antontan’isa. Ahitana taratra ny olana mianjady amin’ny tanora eto amintsika ireo. Mba hahafahan’ny tanora miatrika an’ireny karazan’olana mety hosedrainy ireny dia namoaka tari-dalana fanaovana adisisika ho an’ny tanora (Guide de plaidoyer pour les jeunes) ny UNICEF. Tanjon’ity tari-dalana ity ny hanomezana fahaiza-manao ho an’ny tanora, mba hahafahan’izy ireo mampita hevitra hitondra fanatsarana eo amin’ny fiainany sy eo amin’ny fiainam-pirenena iray manontolo mihitsy. Mahasahana sehatra maro izy ity toy ny fanabeazana, ny toetr’andro, ny tsy fananan’asa sy ny maro hafa. Ity rohy ity no ahafahana misintona an’ity tari-dalana fanaovana adisisika ho an’ny tanora ity : https://www.unicef.org/madagascar/rapports/guide-pour-le-plaidoyer-des-jeunes

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT