Fampianarana

Fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara Nopotehina nanomboka ny taona 2009


  • Zoma 17 Janoary 2020

Tsy noterena, tsy novozonana ny fitondrana tetezamita 2009 namoaka ireo didim-panjakana miisa 3 izay nolazaina tamin’izany fotoana fa antoka ho amin’ny fampandrosoana ny

 

 

fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika eto Madagasikara. 11 taona ngarangidina anefa izao dia io iaraha-mahita io ny zava-misy fa lasa olana mitombo isan-taona ilay fanapahan-kevitra noraisina tsy am-piheverana. Tsy voavahan’ny fanoloana lava ireo minisitry ny fampianarana ambony ny fitakiana miisa 7 an’ireo mpampianatra mpikaroka, fototr’ireo didim-panjakana miisa 3 ireo. Tandindomin’ny taona fotsy lalandava ny fiainana eny amin’ireo oniversitem-panjakana. Tsy ny oniversite ihany anefa no manana olana ankehitriny fa manomboka any amin’ny ambaratonga fototra mihitsy. Tsy misy izay tsy miaiky fa nihena ny lentam-pahaizan’ny zaza Malagasy. Nanampy trotraka ny korontana nisy vokatry ny tsy fitombon’ny fandaharam-pianarana ka nampihemotra ny fotoam-pialantsasatr’ireo mpianatra. Hatao PSE sa tsy hatao ? Sahirana hatramin’ireo mpampianatra. Niaraha-nahita koa moa avy eo ny savorovoro vokatry ny fiporitsahan’ny laza adina sy ny fahatapahan-jiro nandritry ny Bakalorea 2019. Miandoha ity ny taona 2020 dia io indray fa tapatapaka ny fampianarana vokatry ny resaka Panier Garnie. Hita ho nopotehina mihitsy, araka izany, ny fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty saika ny fanontaniana mipetraka dia hoe iza no namotika ary inona no tanjona amin’izany ? anjaran’ny rehetra no misaintsaina sy mamaly.

J.Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT