Fampianarana

Fanabeazana Mivadibadika ny minisitra ?


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Anisan’ny nampalaza ny minisitry ny fampianarana ambaratonga faharoa sy fanabeazana fototra Rabary Paul ny fahasahiany. Lasa nitombo ny mpiasam-panjakana mpampianatra (10.000 isan-taona), maimaimpoana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana Cepe sy Bepc.


  Amin’ity taom-pianarana 2017-18 ity anefa  lasa handoavam-bola indray izy io, miovaova isaky ny CISCO. Misy ny nampandoavina 1000 ariary ho an`ny CEPE, nisy ny nampandoavina 3 000 ariary ho an`ny BEPC. Hatramin’izay dia nisy ny solon’ny vovoka lakre (Subvention) fanome ireo mpampianatra. Amin’izao anefa vitsy sisa no nahazo, indrindra ny tsy miankina. Nisy ireo sekoly izay tsy nahazo mihitsy ny mpampianatra ambaratonga faharoa tao aminy. Nasaina namerina nameno fiche de vacation ireo mpitsara BEPC 2017
tao amin`ny lycee teto an-drenivohitra. Novana daholo ny
fiche teo aloha.  Ireo niasa 5 na 4 andro dia novana ho 3
andro daholo. Marihina fa 30 000Ar isan’andro izy io. Ny minisitry ny fanabeazana koa no mbola nahasahy nanova ny tetiandrom-pampianarana in-droa ao anatin’ny taona iray vokatry ny pesta. Hitondra vokany tsara ve io fivadibadihana io sa handentika ny fampianarana ka hampihena ny salam-pahavitrihana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ?
Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT