Fampianarana

Fanabeazana Maro ireo sekoly mbola mamita ny taom-pianarana aloha


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Samy efa nanomboka niverina an-tsekoly avokoa tamin’ity herinandro ity ny sekoly tsy miteny frantsay, sekoly katolika ary ny sekoly tsy miankina sasany.

 

 

 

Famerenan-desona sy famaranana ny telo volana fahatelo izay tapaka noho ny fihibohana no tena ilofosana aloha amin’izao rah any fantatra.Misy ireo sekoly tena mbola hamarana ny  fandaharam-pianaana mihitsy ary hanao fanadinana fisondrotana kilasy avy eo.Tsy misy hoe fialan-tsasatra intsony anefa fa vantany vao vita ny fanadinana ka voakajy ny naoty dia mitohy avy hatrany amin’ny taom-pianarana vaovao 2020 – 2021.Nisafidy ny hanao fammerenan-desona kosa ny sekoly sasany , na dia tsy manao fanadinana intsony aza.Ilaina averina amin’ny laonina aloha ny sain’ny ankizy mialohan’ny hidiran’izy ireo amin’ny tam-pianarana vaovao fa tsy azo terena be, hoy ny tompon’andraikitry ny sekoly iray.Etsy ankilan’izay efa mandeha ihany koa ny fisoratana anarana sy fanamafisana ny fisoratana anarana ho an’ireo seokoly tsy miankina sasany ary tsy maintsy misy ny fanadinana fitsapana na “Test de niveau” ho an’ireo mpianatra vaovao.Efa nisy izany nanomboka ny alarobia teo ary mbola hitohy amin’io herinandro ambony  ho avy io, arakarak’ilay sekoly.Ny tapaky ny volana oktobra no hiverina an-dakilasy ny sekoly tsy miankina sasany.Ny 26 oktobra kosa no fidirana ofisialy ho an’ny sekolim-panjakana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT