Fampianarana

Fanabeazana mampiaty Omena fiofanana ireo mpampianatra


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Fanabeazana tsy manavaka na manilika na iza na iza ny fanabeazana mampiaty. Tafiditra ao anatin’izany ireo ankizy manana fahasembanana sy ireo zanaky ny sahirana.

 Ho antsika eto Madagasikara raha araka ny tafa nataon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny UNICEF tamin’ny mpanao gazety omaly dia efa hita taratra manomboka any amin’ny EPP izany. Toraka izany koa ny Akanin’ny Marenina etsy amin’ny 67 ha izay fantatra fa mandray ankizy manana fahasembanana hafa ihany koa hahafahana manatanteraka ilay fanabeazana mampiray sy manome lanja ny fahasamihafana. Tsy ho diso anjara amin’ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty isika eto Madagasikara araka izany. Ny 26 novambra ho avy izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny zaridain’Antaninarenina ka ankoatra ny fampirantiana ireo karazana asa tanana vitan’ireo olona manana fahasembanana dia hisy ihany koa ireo karazana fanentanana maro isan-tsokajiny. Ny fitaovana hampiasain’ireo olona manana moa no tena olana eto Madagasikara noho ny halafosany koa hanaovan’ireo tompon’andraikitra antso avo amin’ny Fitondram-panjakana mba hanolo tanana azy ireny.
Pati
Legende : Tetsy Mahamasina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT