Fampianarana

Fanabeazana mampiaty Nodinihina ny fampiharana azy ho an’ny rehetra


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Ny 20 %-n’ny mponina eto amintsika no fantatra fa tratry ny fahasembanana.

Tafiditra ao anatin’izany  ireo ankizy madinika izay  miaina anaty fanilikilihana vokatry ny fahasembanana. Maro ireo tsy afa-mianatra miaraka amin’ireo namany mitovy taona aminy….  Nanaovana adihevitra goavana tetsy Ampandrana omaly ny mikasika izany, niarahana tamin’ny fiangonana FJKM. Anisan’ny nasaina ary nandray anjara mavitrika ny mpanao gazety. Tanjon’ny mpizaika ny hampihatra marina ilay fanabeazana mampiaty na tsy mitanila, ho fanajana ny zon’ny ankizy. Ny fiangonana FJKM manokana, izay manana sekoly miisa 295 manerana ny Nosy, dia hiezaka ny hitsinjo manokana azy ireny ao anatin’ilay tetikasa Mahay izy ireo. Tsy latsa-danja amin’izany, araka ny fanazavan’ny talen’ny sekoly FJKM manerana ny Nosy, Rakotondranaivo Domoina, ny famatsiana fitaovana ireo sekoly eo ambany fiadidiany, mba hitovy tantana ny fahaizana omena ny mpianatra rehetra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT