Fampianarana

Fanabeazana mampiaty Ho arahi-maso akaiky amin’ity taona ity


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Nifanolotra mari-pankasitrahana noho ny fiaraha-miasa nandritra ny taona 2017 tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, omaly, ny avy eo anivon’ny fiaraha-monim-pirenena, sehatra fanabeazana (CONAMEPT) sy ny ministeran’ny fanabeazana eto Madagasikara.

 

Maro ireo asa izay niaraha-nanao teo amin’ny roa tonta,  isan’izany ny nahafahana nandray ireo tolo-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana tafiditra ao anatin’ilay Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana na “Plan Sectoriel de l’Education” (PSE). Zava-dehibe tao anatin’ireo tolo-kevitra ireo ny fanomezan-danja manokana ny sehatry ny fanabeazana mampiaty, izany hoe, tsy manavaka na iza na iza, na tomady io na manan-kilema, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny CONAMEPT, Huguette Rakotoarivony, satria somary taraiky ity fomba fanabeazana ity, eto amintsika.  Eo ihany koa ny ady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy, ny fampivoarana ny fanabeazana, hitondra any amin’ny tsaratsara kokoa. Tanjona goavana ny fanaraha-maso ara-tekinika an’ity tetikasa ity, iarahana amin’ireo fiaraha-monim-pirenena toy ny “CONAMEPT”, hoy kosa ny avy eo anivon’ny minisitera, izay niara-namolavola azy. Manomboka amin’ity taona ity moa no hanatanterahana azy io ka hatramin’ny taona 2022, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT