Fampianarana

Fanabeazana Ho fantatra tsy ho ela ny datim-panadinana


  • Alarobia 17 Jona 2020

Nivoaka tamin’ny fahanginana Atoa Herimanana Razafimahefa, sekretera jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena taorian’ny fidradradran’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ireo sendika maro samihafa mikasika ny tokony hamoahan’ny fanjakana haingana ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE, ny BEPC….

 

 

 

 

Nambarany tamin’izany fa ho fantatra aorian’ny filankevitry ny minisitra izay hotanterahina tsy ho ela avokoa ireo daty ireo. Efa hatomboka tsy ho ela ihany koa raha araka ny fanazavany ny fiomanana hafa amin’ny fiatrehana ny fanadinana toy ny mpiadina iray isaky ny dabilio iray ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Hamendrahana ranom-panafody daholo ihany koa ny efitranon-tsekoly tsirairay avy…. Notsiahivin’ity sekretera jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ity moa fa efa vita tanteraka ny laza adina CEPE ankehitriny. Ho vita amin’ity herinandro ity ihany koa ny fandrafetana ny laza adina BEPC.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT