Fanabeazana eto Antananarivo

Hamatsy 100.000 Dolara ny koreanina


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Ny lafiny fanabeazana, fahasalamana, fiarovana amin’ny loza voajanahary,

ny fijerena ireo teboka miisa 3, izay mifantoka kokoa amin’ny ankizy sy ny fampianarana, ireo no fototry ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fikambanana koreanina KFHI na Korea food for hungry international sy ny kaominin’Antananarivo renivohitra na CUA, izay nosoniavin’ny 2 tonta tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly. Tetikasa izay vatsian’ny KFHI vola mitentina 100.000 Dolara, hoy ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’izany, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny delegasionina manokana eto Antananarivo renivohitra, Harilala Ramanantsoa, ny fijerena ireo fotodrafitrasa amin’ireo EPP tena sahirana. Ho an’ity andiany voalohany amin’ny fiaraha-miasa izay maharitra 1 taona ity dia boriboritany miisa 3 dia ny voalohany, faharoa ary fahadimy, hoy izy, no hisitraka izany. Mbola hisy, araka izany, ny andiany faharoa izay haharitra herintaona hatrany. Nanome toky izahay fa hangarahara ny fitantanana ny vola sy ny fiaraha-miasa rehetra, hoy hatrany ny PDS eto Antananarivo. Antony nifantohana tamin’ny ankizy sy ny fampianarana na fanabeazana kosa, hoy ny KFHI, dia satria ny fanabeazana no fototra nahafahana nanala an’i Korea atsimo tanaty fahantrana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT