Fampianarana

Fanabeazana 60 taona nanabeazana ny Cemeam


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Nofaranana tamin’ny sabotsy 27 janoary lasa teo ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny Centre d' Entrainement aux Méthodes d' Education Active à Madagascar (CEMEAM) rehefa nosokafana ny 10 jona 2017 tamin'ny taona lasa.

 

 Niara-nikorana, niara-nifaly sy nandihy ireo mpikambana sy ireo olona nasaina. Tonga maro be ireo mpikambana ary nifankahita indray ireo mpiofana tamin'ny taona 60-70 sy ireo taty aoriana rehetra. Marihina fa tamin'ny taona 1957 no nanomboka nandray ny asany ny CEMEAM teto Madagasikara. Raha ny fahafantaran'ny maro azy dia mpitondra colonie de vacances izy ireo ary mbola manohy izany hatramin'izao. Manofana ireo rehetra hitondra mpianatra ihany koa toy ny tale, ny ekònome ary ny mpanentana. Efa maro ireo nandalo tao amin'ny fikambanana satria izay nandray ny fanabeazana tamin'ny Cemeam mantsy dia tonga dia mpikambana avokoa araka ny fitsipika. Efa nisy tamin'ireo mpitondra teto Madagasikara no mpikambana tao o raha tsy hilaza afa tsy ny filoha teo aloha Philibert Tsiranana. Maro ireo mpikambana nandalo niofana tamin'ity fikambanana ity, anisany ireo conseillers pedagogiques, ireo élèves professeurs niofana ho mpampianatra. Efa maro be ireo nandray ny fanabeazana Cemeam nandritra izay taona maro izay. Mitohy ny asany fa tsy hijanona eo ary inoana fa hitondra vokatra tsara eo amin'ireo mpandray ny fiofanana, indrindra amin'ny fampandrosoana ny Firenena.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT