Hozaraina rahampitso zoma 15 septambra etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra FRAM vao noraisina ho mpiasam-panjakana.
Nomen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tarihin’ny minisitra Paul Rabary baiko hiakatra eto Antananarivo izy ireo. Misy ny mimenomenona manoloana ny endrika fanerena an-kolaka ireo mpampianatra ho avy eto an-drenivohitra. Iankinan’ny fiainana anefa izany ho an’ireo mpampianatra, ka voatery mandeha tsy satry na eo aza ny olana samihafa iainan’izy ireo. Zavatra tsy maintsy natao sy tena laharam-pahamehana ve ny fampiakarana ireo mpampianatra na dia hifampitadiavana aza ny fanomanana ny hoenti-manana amin’ny dian’ny maro ? Tsy an’aliny fa ana hetsiny ny fandanian’ny sasany satria misy ny avy lavitra toa an’Antsiranana, Toliara. Hatao fitaovana politika mihitsy ve izany ny fampianarana sa fifanandrifian-javatra ihany tokoa izao atao izao ? Raha ny tsiliam-baovao azo mantsy, dia tanjon’ny fanjakana HVM ny hampidirana politika maloto ao anatin’ny fampianarana, toy ny mety hanomezana baiko ireo mpampianatra ireo hanohana ny fitondrana amin’ny fifidianana ho tambin’ny nandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Hatao fitaovana ny famondronana eto Antananarivo mba hireharehan’ny fitondrana ho mitsinjo ny mpampianatra ary mikatsaka hatrany ny fanasoavana ny tontolon’ny fanabeazana. Sokajiana ho sehatra fanalahidy amin’ny fifidianana ny tontolon’ny fanabeazana noho izy mahenika an’i Madagasikara, ka izay no mety ho ao ambadiky ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny. Tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana dia nirona sy nanome lanja ny fampianarana ny antokony, ka nisian’ny TIM Fanabeazana, saingy nezahina noharatsiana. Tamin’ny andron’ny filoha teo aloha ihany koa no nisian’ny programa fanovana ny rafitra sy programam-pampianarana, saingy nosakanana tamin’ny fomba rehetra, saingy 10 taona aty aoriana, dia niverenan’ny fanjakana natao “kopikole” ihany ny programa tamin’izany. Fa ity fanabeazana ity ve izany hatao fitaovana sy toy ny kilalaon-jaza tahaka izany foana ? Nikoropaka namono afo ny fanjakana manoloana ny grevin’ny TAFITA (Tahiry Aina ho an'ny Fanatanjahantena sy Itsinjovana ny TAnora) miandraikitra ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina noho ny tahotra amin’ny mety ho olana amin’ny fampiantranoana io lanonana io. Marihina fa nitokona ny TAFITA ny fiandohan’ny herinandro teo noho ny tsy nandoavan’ny fanjakana ny tambin-karamany. Fantatra ihany koa fa mibaby trosaben’ny Jirama ihany koa ny TAFITA, ny Jirama izay efa minovonona hanapaka ny herinaratra ao amin’io toerana io raha tsy voaloa ny faktiorany. Nanao fanelanelanana anefa ny mpanolotsain’ny filoha iray mba halefa aloha ny jiro ao fa hampiantrano tsy ho ela fifaninanana iraisam-pirenena aty amin’ny ranomasimbe indianina amin’ny taranja baskety na CCOI, izay hialohavan’ity lanonana fizarana “contrat de travail” andiany faha-4 ho an’ireo mpampianatra FRAM horaisina mpiasam-panjakana ity rahampitso ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.