Fampianarana

Fanabeazam-pirenena Hohatsaraina ny fampianarana manoratra teny Malagasy


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Faritra miisa 11 manerana an’i Madagasikara no misitraka ny tetikasa ho fampisakafoanana ireo ankizy mpianatra eny an-tsekoly amin’ny

 

 

alalan’ny fifanomezan-tanan’ny fiarahamonina mandritry ny fotoana maha maitso ahitra, raha ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy fampiofanana teknika. Tetikasa iarahana amin’ny Jica Tafita izy io ary voakasik’izay ireo EPP eto Analamanga. Efa nisitraka azy io ny mpianatra miisa 200 teny amin’ny EPP Tsarahasina Ambohimangakely. Nanazava moa ny minisitra, Rijasoa Josoa Andriamanana fa tanjona amin’izao ny fampitomboana ny isan’ireo zaza miditra an-tsekoly. Hisy koa ny fampianarana sy fampiofanana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fiarahamonina mivondrona ao anatin’ny antsoina hoe Feffi amin’ny fitantanam-bola eo anivon’ireo sekoly tsirairay. Hohatsaraina ihany koa ny kalitaon’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra teny Malagasy ary ny kajy eny anivon’ny sekoly amin’ny alalan’ny fifanomezan-tanan’ny fiarahamonina mandritry ny fotoam-pahavaratra. Ho maro ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa, raha ny fanazavana hatrany, ary ankoatr’izay efa voalaza dia hanampy izany koa ny PAM, izay misehatra eo amin’izay lafiny ara-tsakafo izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT