Fampivoarana ny vehivavy ho amin’ny fampandrosoana

Hovelabelarina etsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Ny zoma 27 oktobra izao, etsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy,

manomboka amin’ny 8 ora sasany maraina no ho velabelarina amin’ny alalan’ny kaonferansa lehibe ny mikasika ny atao hoe “Fampivoarana ny vehivavy ho amin’ny fampandrosoana”. Ry zareo eo anivon’ny Soroptimist international, club Antananarivo Mandrosoa, moa no tompon’antoka amin’izany, noho ny fahatsapana ny fahamarinan’ilay tenin’ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina fahiny hoe “Tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao.”. Ny mpahaitantara, Faramalala Ratsaratoetra, no hitondra fanazavana mikasika ny hoe “Ny vehivavy malagasy sy ny fivoaram-piainany” ao anatin’izy ity. Ny pasitera Veromalala Andriamose kosa no ampahafantatra ny hoe “Ny endriky ny fampandrosoana ny vehivavy ataon’ny fiangonana”. Ny mpanoratra, Michel Rakotoson, koa hiresaka ny hoe “Ny vehivavy mahatohitra ny onjam-piainana”. Ho avy hitondra ny famelabelaran-keviny mikasika ny hoe “Finiavana sy fikirizan’ny vehivavy mitondra fiovam-piainana”, etsy ankilan’izay ny mpikaroka momba ny miralenta, Landy Miary Andrianaivosoa, ary ny filohan’ny Menengage, Riana Ndrialisoa, hamakafaka ny hoe “Vehivavy malagasy sy lehilahy malagasy miara-mandroso”, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT