Fampianarana

Fampiofanana ampitain-davitra Manomboka mahaliana ny olona


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Manomboka betsaka ireo renim-pianakaviana liana amin’ny fampiofanana ampitain-davitra eto amintsika.

 

 

Isaky ny sabotsy hariva ihany mantsy vao mankany am-pianarana manontany izay tsy azo amin’ny mpampianatra sy manao devoara iraisana miaraka amin’ny mpiara-mianatra raha boky kosa no tena miasa rehefa andavanandro. Andiany telo izy ireo no indray navoaka  ny faran’ny herinandro teo, mpianatra navoakan’ny sekoly ambony UPRIM dia ny andiany Mitsinjo, Santatra ary Mamiratra notolorana ny mari-pahaizana licence, ny master I ary ny master II. Raha araka ny fanadihadiana natao dia misy amin’izy ireo no efa mpiasam-panjakana ary maniry ny hiakatra grady ka niverina nianatra indray ankoatra ireo efa manambady aman-janaka saingy maniry ny hanatsara kokoa ny ho aviny amin’ny alalan’ny asa mila diplaoma ambony.  Misy amin’izy ireo ihany koa moa no nianatra isan’andro tany am-pianarana nitondra ny anarana  Mahay sy Vitrika, notolorana ny mari-pahaizana Licence sy Master I. Mitotaly 480 mianadahy izy ireo. Tsiahivina moa fa mpianatra 10 isan-taona manomboka izao no alefan’ny UPRIM any Sina ka mahazo tombony avy hatrany ireo mahay teny Sinoa any amin’ny dingana fahefatra sy manana ny mari-pahaizana DTS.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT