Fampianarana

Fampiasana ny “Puces RFID” sy ny “GPS tracker” Manana tetikasa goavana ny IT University


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Oniversite tsy miankina tena mamiratra amin’ny fampianarana ny tontolon’ny Informatika eto Madagasikara ny IT university eny Andoharanofotsy, ary efa namoaka mpianatra maro be mamiratra hatrany ampitan-dranomasina amin’io sehatra io.

Tsy mionona amin’ny fampitana fahalalana fotsiny, fa manao fikarohana lalina amin’ny alalan’ny Laboratoara ITU-LABS. Eo am-panatontosana ny tetikasa goavana mifototra amin’ny fampiasana ny “Puces RFID” sy ny “GPS tracker”, hahafahana mamantatra ny toerana misy ny zavatra na olona iray amin’ny ora rehetra izy ireo amin’izao fotoana izao. Raha ny famaritana tsotsotra, dia fitaovana kely azo haraikitra na hampidirina amin’ny vatan’ny biby na olombelona iray ny “Puces RFID” na “radio-étiquettes”, ka “puces électronique” sy “antenne” amin’ny ankapobeny no mitambatra mandrafitra azy. Teknolojia tahaka izany, ohatra, no katsahina hapetraka amin’ny omby eto amintsika. Mitovitovy amin’izay ihany ny “GPS-Tracker”, fitaovana madinika afaka mamantatra ny misy ny olona iray ao anatin’ny sarin-tany. Ohatra azo hampiasana izany ny fametrahana ao anatin’ny kitapo baben’ny zaza io fitaovana io, hahafaha-manaramaso azy. Afaka mahazo fanairana avy hatrany raha mivoaka ny faritra iray mety tsy ho azo antoka na hampidi-doza izy. Mivoitra ao anatin’ity tetikasa ity araka izany ny fanaraha-maso ny olona na zavatra iray amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta. Ohatra hafa ny fanaraha-maso sy fahazoana fanairana avy lavitra raha toa ka mihoatra ny fetran'ny hafainganam-pandeha voafaritry ny GPS, toy ny hoe misy zaza tokony ho any an-tsekoly, kanefa tsy araka izay zotra sy hafainganam-pandehan’ny fiara. Mampanantena ny IT University, fa hivoaka tsy ho ela ity “application” mifototra amin’ny teknolijia avo lenta ity, ary efa ao anatin’ny andrana izy ireo amin’izao fotoana izao.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT