Fampianarana

Fampianarana Velon'ahiahy ireo mpampianatra


  • Talata 21 Aprily 2020

Faly sahirana ny vahoaka Malagasy raha nandre fa hiroso amin` ny fialàna tsikely amin` ny fihibohana ny firenena.

 

 

 

Nanambara ny filoham-pirenena fa miverina mampianatra ireo mpanabe manomboka ny alarobia izao. Raha ireo mpampianatra nanaovana fanadihadiana dia samy manana ny paikadiny izy ireo atrehina izao ady amin`ny coronavirus izao. Ho ny mpampianatra iray aminà lisea teknika, dia hoy izy hoe : “ny ahy izao séance voalohany tena laniako amin` ny sensibilisation tanteraka sy conscientisation. Ilay fomban' ny ankamaroan'ny mponina eto Antananrivo kosa no tena mampatahotra ahy. Tsy mivaky loha sy tsy miasa saina sady tena mafiloha daholo” . Mpampianatra iray any amin` lisea any Fianarantsoa dia nilaza hoe  “ho avy aty aminay moo ny Filoha Rajoelina rahampitso (ndlr: androany) dia tsy maintsy manatrika izany ao amin` ny lisea. Asa izay hiseho fa dia avy nanamboatra “emploi du temps”dia zaraina ho an` ny mpianatra manomboka ny alarobia izao” Mpampianatra eo anivon` ny lisea iray eto an-drenivohitra kosa dia mampiseho ny ahiahiny ary tsy vonona hiasa mihitsy. “Ankizy iray isaky ny efitra aza dia efa risika be izany ho any kanefa izahay anie mandeha bus in-droa, mandalo tsena vao tonga any an-tsekoly e!” Raha zohina izany rehetra izany dia tena miasa amin` ny tahotra ireo mpampianatra manoloana ny coronavirus.

 

Marigny A

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT