Fampianarana

Fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa “Tanora 1 000 000 no tokony ho voafohafana”


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Tokony hisy tanora ho voahofana 1 tapitrisa ao anatin’ny 3 taona, hoy ny toromariky ny Filoham-pirenena Rajoelina ho an’ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Atoa Ernest Tsikeliankina. Ara-panabeazana 4 200 000 eo ny ambaratonga voalohany, ary rehefa tonga any amin’ny kilasy 3ème, dia 300 000 eo sisa.

 

 

 

Tokony hiakatra izany, ary hisy “mésure d’accompagnement” na tohana ampiarahana amin’izany, hoy ny Filoham-pirenena. Mampisy elanelana be eo amin’ny zaza Malagasy ihany koa ny ora fianarana, ka isan’ny hojerena izany. Nisy avy hatrany omaly ny Filankevitry ny Minisitra mivantana, izay nilazan’ny Filoham-pirenena fa mahomby ny ady amin’ny covid-19, izay antony tsy nanaovana ny filankevitry ny minisitra voalohany omaly tsy natao tamin’ny alalan’ny “visioconférence”.

 

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT