Fampianarana

Fampianarana teknika Ny 2 %-n’ny afaka baka teknika no tafiditra any amin’ny pôliteky


  • Talata 12 Jona 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo sendikan’ny mpiasa mpampianatra mpampiofana eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa omaly.

 


 

Nambaran’izy ireo fa tena marary ny fampianarana teknika eto amintsika ka mila fanovana. Ny 2 %-n’ireo  mpianatra afaka  baka teknika ihany mantsy isan-taona no tafiditra eny amin’ny politeknika,  hany ka very vola fotsiny ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Ilay fomba fampianarana mihitsy no tsy mandeha amin’ny laoniny, hoy Randrianandrasana Augustin Denis anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny sendika. Azon’ilay ankizy tsara ny fanontaniana apetraka aminy saingy ilay fomba hamaliana azy no tsy fantany. Ilana fanovana miaraka amin’ny minisitra tompon’andraikitra izany. Minisitra mahay tsara ny momba ity minisitera ity sy ny fiofanana omeny ny tanora mpianatra ihany koa hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa no tokony homena ny toerana. Anisan’ny anarana efa nalefan’izy ireo eny am-pelatanan’ny praiminisitra Ntsay Christian  ny anaran’Atoa  Ali Imra, mpampianatra mpampiofana eo anivon’ity minisitera iray ity sady filohan’ny sendika S3MF nefa Rahantasoa Lydia no tafiditra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT