Fampianarana

Fampianarana teknika Mangataka hisaraka amin’ny minisiteran’ny fanabeazana


  • Talata 14 Janoary 2020

Ny velirano faha-4 nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no milaza fa omen-danja bebe kokoa ny fampianarana teknika sy ny arak’asa

 

 

 

mba hahafahana manomana ireo tanora hiatrika asa avy hatrany aorian’ny fiofanana narahiny ka hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ireo tetikasa fampivoarana isam-paritra voafaritry ny PEM. Tsy tanteraka anefa izany tamin’ny taon-dasa satria navesatra loatra ka sarotra tantanina ny fitambaran’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) sy ny an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa (METFP), hoy ny Sendikan’ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny asa sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa (STEMEETFP). Niteraka fahatarana na fahadisoan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana io ka lasa ankilabao ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, raha ny fanazavana. Mpiofana an’aliny no tsizarizary ny fanofanana azy. Anisan’ny olana niseho ny fahatarana telo volana ho an’ireo mpiasa nalefa niofana tany Maraoka, tsy afaka nanao fampiharana na “pratique” ny mpiofana tany amin’ny LTP, CPF ary ny CFPF noho ny tsy fisian’ny “matière d’oeuvre” Efa nifarana ny taom-pianarana vao tonga ny vola fampandehanan-draharaha ho an’ny LTP sy CFP ary ny CFPF, tsy voaloa ny karaman’ny ECD sy “Vacataire”, tsy nahavaly ny filan’ny toeram-piofanana ny traikefan’ny mpiasa noraisina ho mpiasam-panajakana (recrutement),… “Diso fanantenana ny maro, ka angatahanay ny fisarahan’ny minisitera roa dia ny METFP sy ny MEN”, hoy ny STEMEETFP.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT