Fampianarana

Fampianarana teknika 19 mianadahy nahazo vatsim-pianarana ho any Maroc


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Ankizy 19 mianadahy nanaraka fiofanana manokana teny anivon’ireo lisea teknika manerana ny Nosy no nahazo vatsim-pianarana hiazo an’i Maroc ary hiainga amin’ny Alahady ho avy izao eto an-tanindrazana.

 

 

 

Roa taona no  faharetan’ny fianarana izay hotanterahin’izy ireo any an-toerana ka ny fanjakana Malagasy avokoa no hiantoka ny lany amin’izany.  Afaka omaly Talata izy ireo no notsofin-dramatoa Rahantasoa Lydia  Ministry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa rano teny amin’ny birao fiasany ka nanomezany hafatra mafonja azy 19 mianadahy ireto. Nambarany tamin’izany fa volam-bahoaka no handefasana azy ireo hanohy fianarana any ivelany noho izany tsy tokony handraraka ilomby an-doha ny voninahitr’i Madagasikara izy ireo. Nanaiky soa aman-tsara izany ireo mpianatra izay tsiahivina fa handalina bebe kokoa ny lalam-piofanana BTP ny sasany, ny geometre topographe, ny electro-mecanique…. Anisan’ny nahatafavoaka mpianatra tamin’izany moa ny lisea teknika etsy Alarobia, ny etsy Mahamasina, ny eny Vontovorona, Antsirabe, Tsiroanomandidy, Toliara, Fianarantsoa….

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT