Fampianarana

Fampianarana sy Fanadinana Tsy misy fanazavana, tsy hita ny minisitra…


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Sahiran-tsaina amin` ny fandefasana ny zanany any an-tsekoly ny ankamaroan` ny ny ray amn-dreny. Mitaintaina izy ireo mahakasika ny zanany hoe hanao ahoana ny ho fahaizan` ny zanany vokatry ny fampiatoana ny fampianarana matetika.

 

 

 

 Etsy ankilany, nivoaka ireny ny tetiandrom-panadinana ara-panjakana ka ny fanadinana CEPE no hisantatra izany amin` ny fiandohan` ny volana septambra. Tsy ahitan-teny mahakasika ny fotoana hiverenan` ny mpianatra an-tsekoly anefa ny eo anivon` ny ministeran` ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianara teknika ary arak-asa (MENETP). Raha ny fantatra dia mbola any Mahajanga ny minisitra mpisolo toerana, Beatrice Assanacou , ary efa ho iray volana maninjitra izay. Marihana fa ny MENETP no misahana ny fanomanana ny fanadianana CEPE sy BEPC. Tsara ihany koa no manamarika fa ireo fanadinam-panjakana BEP sy CAP ihany koa dia eo ambanin` ny fiahian` ity minisitera ity saingy tsy mbola misy datim-panadinana ofisialy. Ny fanadinana bakaloerea kosa dia ny minisiteran` ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika (MESRES) no miandraikitra izany. Miresaka fampianarana hatrany saingy eny amin` ny ankerimanontolo indray, dia fantatra fa ny fidiran` ny mpianatra eny amin` ny oniversite dia amin` ny volana martsa 2021 nefa tsy misy fepetra hafa mifanaraka amin` izany. Etsy andaniny, maro ireo mpianatra tafahitsoka ka tsy tafody any amin` ny ray aman-dreniny. Maro ireo antso nataon` ireo mpianatra amin` ny fizarana fanampiana saingy toa zary lasa vonjy tavanandro fotsiny. Midika izany fa noana sy tezitra ny mpianatra. Tsy fahaizana mitantana ireo minisitera ireo ve no mahatonga izany? Noho izany, ny minisitra Béatrice Assanacou dia mitantana minisitera lehibe sy stratejika kanefa raha izao no mitohy dia ho sarotra ho an` ny mpiara-miasa aminy ny manatona azy noho izy tsy eto an-drenivohitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT