Fampianarana

Fampianarana sy fanabeazana Ho kofona ny tsy miankina raha tsy mihetsika


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Nakarina 400% ny « caisse école » izay 19 miliara, lasa 50 miliara mahery

 

 

ahafahana manala ny vesatry ny Ray aman-dReny, tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fampianarana maimamimpoana. Efa nalefa any amin’ny banky isan-karazany ireo vola, ka ny fandaminana eny amin’ny DREN sy CISCO ny fanapariahana izany. Miezaka mametraka fanamby sy fomba fijery vaovao ara-pampianarana ny Fitondrana. Lasa adihevitra ihany koa anefa etsy andaniny ilay tenin’ny Minisitra fa natao ho an’ireo mahay ihany ny sekoly manara-penitra, ka amin’ny alalan’ny fifaninanana (test de niveau) no hidirana ao. Azo adika ho fanavakavahana (discrimination) izany hoy ny olona sasany. Mety hiteraka elanelana hantsana eo amin’ny samy mpianatra Malagasy izany, kanefa resaka fanilikilihana ara-pampianarana no isan’ny niteraka ny tolon’ny mpianatra tamin’ny 1972 sao hadino ny tantara. Ny andininy faha-23 amin’ny lalàmpanorenantsika dia milaza mazava fa « manan-jo hianatra sy handray fanabeazana ny ankizy tsirairay avy ka tompon’andraikitra amin’izany ny Ray aman-dReny ka hajaina ny fahalalahana hisafidy ananany ». Mbola hamafisin’ny andininy faha-24, fa « mandamina ny fanabeazam-bahoaka maimaimpoana sy takatry ny rehetra ny Fanjakana. Ny Fampianarana ambaratonga voalohany dia tsy maintsy ataon’ny rehetra ».

HO TARAIKY RAHA TSY MIHETSIKA

Raha mijery ilay manara-penitra isika, dia tsara ny fotodrafitrasa, madio, malalaka, manintona, fitaovana tena raitra sady ampy, mpampianatra nahazo fanofanana manokana, misy hatramin’ny kianja manara-penitra, ny mpampianatra dia ara-potoana no mandray karama satria fanjakana, tsy mandoa « écolage » ny mpianatra, ny « cantine scolaire » mety mbola ho avy,… Raha tena atao ho an’ny rehetra sy ho ampy ny rehetra io, dia ho tavela ny tsy miankina raha tsy mihetsiketsika satria any amin’ny sekoly tsy miankina, vao mihetsika dia vola vola ihany, efa maro no tsy mahaloa saram-pianarana ara-potoana amin’izao. Sahirana ny olona, ary ny teo anivon’ny Fiangonana katolika, ohatra, dia efa naneho fa nihena ny fisoratana anarana vantany vao nilaza ny Fanjakana fa maimaimpoana ny eny amin’ny Sekolim-panjakana, izay irariana mba ho hatramin’ny fiafaran’ny taom-pianarana. Ny tokony ho izy ihany koa dia ny sekolim-panjakana no ifandrombahana fa tsy ny miankina izany satria lasa ataon'ny olona fitadiavam-bola ilay fampianarana eto Madagasikara. Matoa ihany koa anefa ny olona izay mbola manana ny hoenti-manana miezaka mampianatra ny zanany any amin’ny tsy miankina, dia misy lesoka any amin’ny Fanjakana ary ao raha, izay mila harenina.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT