Fanohizana fianarana

atsy Maorisy


  • Zoma 23 Oktobra 2026

Hahazo tolotra ireo mpianatra malagasy

Ny 30 sy 31 oktobra izao ary ny 1 novambra 2026 no ho tontosaina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, Antananarivo, ny hetsika fampahafantarana iraisampirenena mikasika ny fanohizana fianarana sy tombontsoa fanararaotra ao amin’ny nosy Maorisy na «Le grand salon international dédié aux études et opportunités à l’île Maurice» (CCIMM), hoy ny fampitàm-baovao voaray. Fiaraha-miasan’ny firenena malagasy amin’ny nosy Maorisy izy ity, amin’ny alalan’ny tranoben’ny varotra sy indostria iraisan’ny firenena roa tonta na «Chambre de Commerce et d’industrie Maurice Madagascar», hoy ny fanazavàna. Hahazo tolotra ireo mpianatra malagasy, manomboka amin’ireo vao avy afaka Bakalorea teo, araka izany, indrindra, mikasika ny fanohizana fianarana atsy Maorisy. Hisy mandritry ny hetsika ny fampahafantarana ireo oniversite lehibe ao amin’ity nosy ity na miankina io na tsy miankina amin’ny fanjakàna. Toy izany koa ny mikasika ireo karazana fiofanana sy vatsim-pianarana na fepetra hahafahana manohy izany fianarana atsy amin’ny nosy rahavavy izany. Toy izany ihany koa ny torolalana momba ny resaka asa tiana atao aorian’izay fanohizana fianarana eny amin’ny ambaratonga izay na ho an’ireo efa miasa koa, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Zoma 30 Oktobra 2026

ny zanaky ny mpitondra any ivelany

  • Minisitry
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

ny fampianarana teknika

  • CEG
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Antanimbarinandriana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

Hijery ny tohiny
FTT